Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Reniranon’Ikopa : lehilahy maty an-drano

    Reniranon’Ikopa : lehilahy maty an-drano

     Mamo sa namono tena ? Raim-pianakaviana iray hita faty teny amin’ny reninranon’Ikopa, ny asabotsy teo. Tsy fantatra mazava izay tena antony nahafaty fa ireo mpanasa lamba sy mpaka fasika teny an-toerana no nahita azy nilentika tao anaty rano. Niantso mpamonjy voina avy hatrany ny olona teny an-toerana ka fotoana fohy taorian’izay tonga teny izy ireo namonjy ity raim-pianakaviana ity. Tsy avotra intsony anefa ny ainy taorian’ny fampiakarana azy avy ao anaty rano. Milaza ho tsy mahafantatra ity raim-pianaviana ity kosa ireo sasany teny amin’ny manodidina. Tsy fantatra kosa anefa na namono tena izy na tratran’ny aretina na mamo toaka ka izao nilentika tao anaty rano izao.

    Tsy vao izao fa maro ireo olona efa namoy ny ainy sy namono tena tao amin’ny reniranon’Ikopa. Misy ireo tsy mahatanty ny onjam-piainana ka aleo mandao ny tany, ao kosa ireo teren’ny zava-misy ka ny aina no atao sorona. Na eo aza ny olana samihafa mianjady amin’ny tsirairay, tsy vahaolana velively ny famonoan-tena fa vao mainka aza mampitondra fahoriana ho an’ny fianakaviana izany.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.