Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ampela manao kilalaky : hiverina i Sylange la Reine

    Ampela manao kilalaky : hiverina i Sylange la Reine

    Raha toa ka ny lehilahy hatrany no nivoy ny gadona kilalaky tamin’ny voalohany, anisan’ny nanova izay fijery izay kosa ry Sylange. Avy hatrany dia nambabo ny fon’ny mpankafy ny nahita ireo « ampela manao kilalaky », ka niaka-daza vetivety ny tarika. Nisy ny fotoana nanginana kely, saingy niketrika mozika no nataon’i Sylange la Reine sy ny tariny nandritra izany. Fantatra kosa izao fa hisy ny fiverenana, hanomboka amin’ny asabotsy 12 marsa izao, etsy amin’ny Le Glacier Analakely. Ho vahinin-dry Sylange mandritra izany ny tarika Jiromanga.
    Mifototra hatrany amin’ny kilalaky, saingy miezaka mampivady gadona hafa, toy ny Sud’Af, « coupé décalé », sns, ry Sylange anatin’ireo hirany vaovao. Heno ao anatin’ny « Tsy matahotse adversaire », « Tsy hiala anao », sns izany. Efa eo am-panatontosana ny rakitsarin’ireo hira vaovao rahateo ry Sylange, hiatrehana ny famoahana ny rakikira vaovao.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.