Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiainana antoko : hiala tsy ho Tim, Rakotoarivelo Mamy

    Fiainana antoko : hiala tsy ho Tim, Rakotoarivelo Mamy

    Tonga amin’ny tsontsori-mamba isarahana ihany ? « Nisy disadisa teo amin’ny tenako sy ny filoha Ravalomanana na nanaraka azy hatramin’ny farany aza aho… Tsy mifanaraka intsony amin’ny etika politikako sy etika ara-moraly hatramin’ny nidirako ho Tim hatramin’ny taona 2002, ity antoko ity… Koa mba tsy ho tonga amin’ny hoe nesorina Rakotoarivelo, naleoko miala raha izao fomba fitondrana ny antoko izao », hoy ny lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana teo aloha, Rakotoarivelo Mamy, omaly tetsy an-tranony Ankadifotsy.  Nohitsiny fa tokony ho antoko demokraty sy tsy an’olon-tokana ny Tim na hampanjakana jadona. « Raha mitohy izao, hidona amin’ny rindrina amin’ny taona 2018 raha tsy miova amin’ny fihetsiny sasany ny filoha Ravalomanana … », hoy ihany izy.

    Manoloana izany, mbola nilaza ny hanohy hanao politika ity anisan’ny nanorina ny Tiko Iarivo ity. « Mbola tian’ny vahoaka eto amin’ny boriborintany fahatelo aho… », hoy ity talen’ny MBS teo aloha ity.

    Na izany aza, nilaza ny tenany fa mbola mandala ny marimaritra iraisana ary tsara kokoa ny miaraka.

    Ankoatra izany, notakiny amin’izao fitondrana izao ny tokony ho tombontsoany amin’ny maha efa lehiben’ny andrimpanjakana azy teo aloha.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.