Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    PM Ravelonarivo : « Hajoro ny andrimpanjakana hafa »

    PM Ravelonarivo : « Hajoro ny andrimpanjakana hafa »

     « Efa mametraka ny andrimpanjakana voalazan’ny lalàmpanorenana ny fitondrana. Dingana lehibe izany, mba hampandehanana ny asa.  Tsy nangataka fotoana lava isika. Teo ny nametrahana ben’ny Tanàna. Taorian’izany ny loholona », hoy ny Praiminisitra Ravelonarivo Jean, omaly teny Mahazoarivo. Nambarany fa porofon’ny fahavononan’ny filoham-pirenena sy ny governemanta ny fametrahana izany ary tsy ho ela ireo sisa tsy mbola tafapetraka. « Ahafahantsika miroso amin’ny fandraisana andraikitry ny tsirairay izany ho amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka », hoy ihany izy.

    Nanteriny fa hiezaka ny hanaja ny lalàmpanorenana sy hitandro izany ho toy ny anankandriamaso ka ho firenena tena handroso.

    Tsiahivina fa nandray ny ambasadaoron’i Japon, Ryuhei Hosoya nanao veloma, handao tsy ho ela an’i Madagasikara ny Praiminisitra Ravelonarivo tamin’io fotoana omaly io.

    Synese R.

    Les commentaires sont fermées.