Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanambaran’ny governemanta : « Efa tsy misy ahina ny fahasalaman’ny minisitra Mahafaly »

    Fanambaran’ny governemanta : « Efa tsy misy ahina ny fahasalaman’ny minisitra Mahafaly »

    Vaovao mahafaly ! Namoaka fanambarana momba ny toe-pahasalaman’ny minisitry ny Atitany, Mahafaly Solonandrasana, ny eo anivon’ny filankevitry ny governemanta, natao teny Mahazoarivo.

     

    Nivoitra tamin’ny fanambarana, araka ny fampitam-baovaon’ny konsily jeneralin’i Madagasikara atsy  La Réunion fa efa tsy misy ahina intsony ny toe-pahasalaman’ny minisitra, tsaboina any amin’ity Nosy ity amin’izao fotoana izao. « Manamafy izany ny fitiliana rehetra natao ka nahitana fa miasa sy mihodina soa aman-tsara araka ny tokony ho izy avokoa ny any anatiny any », hoy hatrany ny fanambarana.

    Nialohavan’ny fandidiana natao teto an-tanindrazana izany ary vita soamantsara ka izao nalefa any amin’ny hopitaly Felix Guyon Belle-Pierre izao, ny alin’ny alatsinainy teo.

    Miantoka ny fampandehanan-draharaha ny sekretera jeneraly

    Nentina tao amin’ny efitrano famelomana aina avy eo ary efa nahitana fihatsarana izany, araka ny fanambarana ihany. Na izany aza, mbola mandalo fanaraha-maso lalina izany.

    Nanaraka akaiky ny minisitry ny Atitany amin’ny fitsaboana azy atsy La Réunion ny vadiny, sy ireo dokoteran’ny hopitali-miaramila, Ratsimbazafy sy Ratsimbason. Nanatitra azy teny Ivato tamin’ny fiaingana ny minisi-panjakana sy ny minisitry ny Fampianarana ambony.

    Miantoka ny fampandehanan-draharaha sy misolo ny toerany vonjimaika eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany amin’izao fotoana izao ny sekretera jeneraly.

    Synèse R. 

    Les commentaires sont fermées.