Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Jobily volamena : 50 taona nitandremana ny pasitera Ramino Paul

    Jobily volamena : 50 taona nitandremana ny pasitera Ramino Paul

    Mankalaza ny faha-50 taona nitandremany ny pasitera Ramino Paul. Hanomboka amin’ny alahady izao ny fankalazana amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana hatao etsy amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Hisy ny fampirantiana, fintina ny 50 taona niasan’ny mpitandrina  sy fanolorana ny boky nosoratany. Hotanterahina ny asabotsy 18 jona ny ivon’ny fankalazana. Hisy ny fanompoam-pivavahana iarahana amin’ny synodam-paritanin’Antananarivo Andrefana (SPAA 10). Hitohy ny alahady 19 jona izany izay iarahana amin’ny zanaka am-pielezana. Hofaranana ny volana septambra ny fankalazana ny taon-jobily volamena ho an’ity mpitandrina ity.

    Marihina fa ankoatra ny maha-mpitandrina, mpanoratra boky sy mpanoratra tononkalo ihany koa ny pasitera Ramino Paul. Mpikambana maharitra sy nafana fo tao amin’ny filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy (FFM) izy. Mpikambana tao amin’ny Ray aman-dreny mijoro ihany koa ny tenany.

    Naharitra 21 taona no niasany tao amin’ny FJKMAmparibe Famonjena. Nitsahatra tamin’ny asa ary nandeha nisotro ronono kosa ny tenany ny desambra 2007.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.