Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nanakorontana 8 marsa : dahalo roa maty voatifitry ny miaramila

    Dahalo saika hanakorontana ny fety fankalazana ny Andron’ny vehivavy no lavon’ny miaramila nandritra ny fifandonana, ary dimy kosa lasa nandositra. Tao anatin’ny ny lanonana fankalazana ny 8 marsa  tany amin’ny fokontany Soaserana Antevamena, kaominina  Vatolahy, distrikan’i Miandrivazo, nisy andiana dahalo fito lahy nikasa hanakorontana sy nanao tifi-danitra tokony ho tamin’ny 10 ora antoandro tamin’io andro io.

    Miaramila roa manao DAS any an-toerana sendra niatrika io lanonana io, nahita sy nifanandrina tamin’ ireo dahalo. Nisavoritaka ny lanonana vokatry ny fikorontanan’ ny mpijery, raha vao naneno ny poa-basy.  Nandritra izany nahalavo ny roa tamin’ireo dahalo, ary ny dimy kosa lasa nandositra. Taorian’io anefa, nitohy ny lanonana ary samy naneho ny hafaliany ny mpandray anjara sy ny mpijery ka nifarana tamim-pilaminana ny fankalazana.

    CMS

    Les commentaires sont fermées.