Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fampandrosoana ny kaominina  : manomboka ny tetikasan’ny KMF/Cnoe ho an ’ny olom-pirenena

    Fampandrosoana ny kaominina  : manomboka ny tetikasan’ny KMF/Cnoe ho an ’ny olom-pirenena

    Mby aiza ny fampandehanana ny asan’ny kaominina? Manana fandaharanasa amin’izany ny KMF/Cnoe amin’ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena.     

    Fanatsarana bebe kokoa ny fifarimbonan’ny rehetra eo amin’ny fampandehanana ny fiainan’ny kaominina misy azy. Manomboka eo amin’ny olom-pirenena sy ireo fiarahamonina sivily eny ifotony izany, ireo olom-boafidy ary ireo olom-boatendry.

    Io no tanjon’ny fandaharanasan’ny KMF /Cnoe, tohanan’ny Tahirim-bolan’ny Firenena mikambana ho amin’ny demokrasia (Fnud), nampahafantarina teny Antaninarenina, omaly. Hanatanterahana ny asa ny faritra fito, ary nofidin’ny KMF/Cnoe amin’izany ny distrika folo: Antanifotsy, Betafo, Miandrivazo, Isandra, Lalangina, Ihosy, Manakara, Farafangana, Mahanoro, Toamasina II.

    Anton’ny safidy ny fahavitrihan’ny mpikamban’ny KMF/Cnoe  hanatanteraka ny tetikasa amin’ireo distrika ireo. Misy ny dingana arahina: fanofanana ireo tomponandraikitra KMF/Cnoe, fanofanana ny mpikamban’ny sampana, fifampizarana ho an’ny mpisehatra any ifotony: fikambanana, firaisamonina sivily, haino aman-jery…

    Miainga any ifotony ny fampandrosoana

     Anisan’ny asa atao ny amin’ny fitondrana tsara tantana, ny zo sy ny andraikitry ny olom-pirenena, ny fitsinjaram-pahefana sy ny zara andraikitra, ny asam-bahoaka araka ny filàna sy ny fangatahan’ny olom-pirenena… Manampy ireo ny fisoratana anaran’ny olom-pirenena amin’ny lisitry ny mpifidy.

    Nanomboka ny volana febroary lasa teo ny fandaharanasa, ary hifarana ny volana jolay 2017, izay niainga tamin’ny asan’ny KMF/Cnoe tamina kaominina vitsivitsy, taona 2005. Niarahana tamin’ny Developpement et paix, ICCO, CCFD ary ny fandaharanasa Saha  ny fandaharanasa tamin’izany: “Sehatra ifanabeazana sy ifanakalozana ho fampandrosoana ny kaominina” (Siifaka).

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.