Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifaninanana hidirana ho mpandraharaha ny fonja : izay mpiadina nahay ihany no afa-panadinana

    Manoloana ireo lahatsoratra nivoaka an-gazety, ny alatsinainy 7 marsa teo, mikasika ny ho fifaninanana hidirana ho mpandraharaha ny fonja, “nanjakan’ny kolikoly”, hoy ireo mpiadina, nitondra fanazavana momba izany ny mpandraharaha ny fonja ao Toamasina. Ny fifaninanana hidirana ho mpandraharaha ny fonja dia misy fiaraha-miasa amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny lalàna sosialy ary ny minisiteran’ny Fitsarana, araka ny  fampitam-baovao voaray. Efa nisy ny fifanarahana izay tsy maintsy hajain’ny telo tonta eo amin’ny fanadinana fifaninanana. Tanjona ny hiadiana amin’ny kolikoly eo amin’ny fifaninanana sy hisian’ny mangarahara.

    Mikasika ny fanadinana farany teo iny, nanamarika izy ireo fa nilamina tsara ny fikarakarana sy ny fanomanana ary tontosa an-tsakany sy an-davany izany. Nahay avokoa ireo mpianatra afaka fihodinana voalohany ary nisedra  ny fihodinana faharoa. Fanadinana fifaninanana (concours) no natao ka izay manantombo amin’ny fahaizana amam-pahalalana ihany no afaka, araka ny fanamarihana.

    Toy ny fanadinam-panjakana rehetra ihany ny finaninanana ho mpandraharana ny fonja ka idiran’ny mpisoloky sy mpanararaotra noho ny hamaroan’ny mpiadina. Manaratsy sy mandoto ny fanadinam-panjakana anefa izy ireo rehefa tsy afaka ny mpiadina nakany vola ka mila mitandrina sy mailo ny rehetra amin’ny fisian’izy ireo, araka ny fanazavana ihany.

    Les commentaires sont fermées.