Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Depiote Randrianarisoa Guy Rivo : “Aleo aloha hivoaka ny didy fampiharana ny fanoherana”

    Depiote Randrianarisoa Guy Rivo : “Aleo aloha hivoaka ny didy fampiharana ny fanoherana”

     

    “Aleo aloha hivoaka ny didy fampiharana. Efa mivoaka ny lalàna momba ny fanoherana, fa tsy mbola mivoaka ny didy fampiharana. Izay no mamaritra ny lalana tokony haleha.” hoy ny depiote Tim, Randrianarisoa Guy Rivo, teny Andraisoro, afakomaly.

    Mpanohitra foana ny mpanohitra, fa mila manazava amin’ny vahoaka ny vinam-piarahamonina na ny zavatra tiana haroso amin’ny maha mpanohitra azy. Tsy maintsy omanina izany. “Aleo izahay hanomana izany, raha tena any amin’ny fanoherana ny lalanay”, hoy izy.

    Na izany aza, naveriny ihany fa sahirana sy efa malemy ny vahoaka. Mila mifanampy aloha isika manarina ny tanindrazana, raha ny fahitany azy hatramin’izao. Rehefa avy eo, hazakazaka ny fifidianana: mandresy izay mandresy, fa tokony hifanampy aloha isika Malagasy izao.

    “Raha te hikitika ny lalàmpanorenana ny fitondram-panjakana, mety ary ekenay izany”, hoy   ihany izy. Nefa tsy azo ekena izany, raha ataon’ny fahefana mpanatanatreka irery. Aleo mba hiaraha-midinika izany eo amin’ny rafitra rehetra misy ara-toekarena sy sosialy, na ny firaisamonina sivily, ny vondrona iraisam-pirenena…

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.