Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambodivahibe Antsiranana : nahatratra 6 t ny horita azon’ny mpanjono

    Ambodivahibe Antsiranana : nahatratra 6 t ny horita azon’ny mpanjono

     Nitombo ny faritra nametrahana ny fe-potoam-panjonoana any amin’ny fari-dranomasina  Ambodivahibe Antsiranana II. Na izany aza nisy maty tsy nahatanty ny ranomamy mivoaka eny an-dranomasina ny horita, vokatry ny oram-be.

    Nisokatra ny 9 marsa sy ny 10 marsa teo ny fotoam-panjonoana horita any amin’ny fari-dranomasina arovana Ambodivahibe Antsiranana II. Nakatona ny fiandohan’ny volana desambra 2015 ny fanjonoana, ary maharitra telo volana. Voakasik’izany ny fokontany telo (Ivovogna, Ambavarano, Ampondrahazo) ao anatin’ireo efatra, izany hoe Ambodivahibe, izay tsy mbola mety resy lahatra ny mponina, indrindra ny mpanjono.

    Efa nanomboka ny taona 2010 ny famerana ny fotoam-panjonoana any an-toerana. Nandritra ny fotoam-panokafana teo, nahatratra 6,4 t ny hazandrano azon’ny mpanjono, ka 6,2 t ny horita ary karazan-trondro samihafa ny 200 kilao.

    Nampiavaka tamin’ity fotoam-panjonoana ity ny naneken’ny mpanjono fokontany Ambohibozikely any akaikin’ireo hametra ny fe-potoana niaraka tamin’ireo ao anatin’ny fari-dranomasina arovana koa. Nitombo araka izany ny velarana azo nanjonoana horita. Na izany aza, nifanahantsahana ny tamin’ny taona 2015 (maherin’ny 5 t) ny azo tamin’ity taona ity.

    Nilaza ireo mponina eny ifotony fa misy ny nangalatra ny horita 1 t tanaty lakana. Noho ny havesarana be loatra, rendrika ilay lakana, ka very maina ny vokatra efa azo.

    Niantraika tany amin’ny hazan-dranomasina horita ny orambe mikija any amin’ny fari-dranomasina arovana Ambodivahibe Antsiranana. Tsy fahita isan-taona sy isaka fahavaratra izany, ka be loatra ny rano avy any amin’ny ranomamy mivoaka any an-dranomasina, ka nisy maty ny horita sasany.

    Festival andiany voalohany

    Nampiavaka ny fotoam-panjonoana horita tamin’ity taona 2016 ity koa ny fikarakarana hetsika goavana, Festival ho an’ny fari-dranomasina arovana Ambodivahibe, andiany voalohany.. Tanjona ny hampahafantarana sy hanentanana ny mponina ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina. Eo koa ny fampiroboroboana ny lafiny zahavoahary ifotony, ny fampandrosoana ny kolontsaina any an-toerana.

    Mifandray amin’izany ny lafiny fampahafantarana ny far-dranomasina arovana any amin’ny faritra Diana, ary indrindra ny fanitarana ny loharanom-bola hitantanana ny faritra sy ny fampandrososana ifotony.

    Nisy ny diabe niainga teo amin’ny lapan’ny Tanàna Antsiranana an-tampon-tanàna nihazo ny fokontany Ivovogna, nikarakarana ny ivon’ny lanonana, kabary samihafa, ny fanentanana nataon’ny ankizy mpianatra hiaro ny harena an-dranomasina, morengy, alim-pandihizana, sns. Nifarimbona nikarakara ny hetsika ny Conservation international, ny fikambanana ifotony Mitafa, ny mponina manontolo, ny ONG C3, sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa.

    Ampondrahazo : arovana ny ala honko

    Tafiditra ao anatin’ny faritra arovana ihany koa ny ala honko any Ambodivahibe. Toy ny any Ampondrahazo, nilaza i Kinkou Justin, sefo-pokontany Ambavarano sady olobe mpitarika ireo vondrona olona ifotony (VOI) any Ambavarano, fa anisan’ny mampiavaka ny any Ampondrahazo, any atsimon’Ambavarano, ny makamba sy ny drakaka. Tena ahitana azy ireo, sady toera-panatodizany rahateo any anatin’ny ala honko. Ankoatra ireo, misy koa ny karazana varika sy voay ary vorona samihafa ao anatin’ity ala honko ity.

    Toy ny mifehy ny fari-dranomasina arovana rehetra, voafaritra mazava ny faritra arovana azon’ny mponina sy ny mpanjono trandrahina, ary misy koa ny tena tsy azo kasihina sy tsy azo idirana.

    Misy ny dina mamaritra ny fepetra, miaraka amin’ny vonodina, amin’ny alalan’ny fanagiazana ny hazandrano tratra, na ny fitaovana ampiasaina ary fandoavana onitra, manodidina ny 1 hetsy Ar.

    Misy ny famolavolana tetikasa ankehitriny, hamaritana zotra ho an’ny fizahantany any an-toerana. Efa nisy ny fifampidinihana amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpampiasa vola vahiny, hanatanterahana izany.

    Razafimandimby Hyancinthe : « Efa ela nampiharana ny toekarena manga »

    Voambolana tsy mahazatra sy voizina ankehitriny ny hoe « toekarena manga ». « Mila arovana aloha vao mitrandraka ny fampiharana azy », hoy Razafimandimby Hyancinthe, tompon’andraikitry ny Conservation international any Antsiranana. Dinidinika.

    Gazety Taratra (-): Inona avy ny fepetra raisina amin’ny fari-dranomasina arovana?

    Razafimandimby Hyancinthe (*): Maromaro izy ireo, fa anisan’ny tena ifantohana, ny famaritana ny toerana arovana isan-tsokajiny. Toy ny arovana nefa azo trandrahana ny harena ao anatin’ny fotoana voafetra. Misy fepetra koa mifehy ny fitaovam-panjonoana ampiasaina, toy ny famerana ny haben’ny mason’harato kely indrindra azo ampiasaina, ohatra, mba itsinjovana ny hazandranomasina madinika. Ferana ny fotoana manakatona ny fotoam-panjonoana, mifanandrify amin’ny fanatodizan’ny hazandrano. Faritana koa ny toerana manokana, tsy azo anjonoana, toy ny toerana itangoronan’ny hazandranomasina,ho an’ny makamba sy ny drakaka (ala honko), ny angisy (calmar), sns. Ary misy faritra tsy azo idirana sy anjonoana na trandrahina mihitsy.

    -Manao ahoana izany hoe toekarena manga izany?

    *Tsy vao izao io voambolana io, fa ho an’ny Conservation international, efa nampiharinay hatramin’ny taona 2010 izany. Azo hamaritana azy tsotra ny hoe “miaro aloha vao mitrandraka”. Satria rehefa voaaro tsara ny harena an-dranomasina, azo atao ny mitrandraka azy ireny, manome fampidiram-bola ho an’ny mponina eny ifotony sy mitondra fampandrosoana maharitra ho an’ny rehetra.

    -Inona ny mampiavaka an’Ambodivahibe miohatra amin’ny fari-dranomasina arovana hafa?

    *Voadidina hara sy tanety ny fari-dranomasina Ambodivahibe ary misy vavany, izany hoe, toy ny misy fefy voajanahary miaro. Mampifandray ny fari-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe Indianina koa ity toerana ity. Fa tena mampiavaka azy koa, lalina ny ranomasina, mahatratra hatrany amin’ny 200 m ambany rano. Hany ka miantraika amin’ny firindran’ny maripanan’ny ranomasina. Satria mangatsiaka ny maripana any ambany ranomasina lalina, ary mafana ny aty ambony, ka misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny harena an-dranomasina ihany koa io firindran’ny maripana io.

    -Inona ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro aty Ambodivahibe?

    *Tsy mbola tena hita misongadina loatra, ary izay indrindra ny antony nanaovana azy ho fari-dranomasina arovana. Na izany aza, atahorana ny fiakaran’ny maripanan’ny toe-tany sy ambonin’ny ranomasina ankapobeny. Anisan’ny miantraika any amin’ny hara (corail) ny fiakaran’ny maripana, lasa mihafotsy ny lokony. Hatreto, tsy hita loatra izany aty Ambodivahibe (tsy miova ny lokon’ny hara), ary vaventy rahateo ny habeny, manodidina ny 3 hatramin’ny 4 metatra ny savaivo (diamètre). Izany hoe, mety ho toera-pitsoahan’ny hazan-dranomasina ny aty Ambodivahibe amin’izao fiakaran’ny maripana izao. Manomboka hita taratra izany, satria lasa hita aty an-toerana ny trozona avy any Sainte Marie, rehefa tonga ny vanim-potoana mangatsiaka.

    Nandritra ny fanadihadiana natao ny taona 2006-2010, niisa 271 ny karazana hara (coraux) hita any Ambodivahibe; ahitana karazan-trondro 260. Amin’ny halalina 200 m any ambany ranomasina any an-toerana, vao ny 35-40 m ihany no vita fanadihadiana nataon’ny teknisianina, satria voafetra ny fepetra ara-teknika. Izany hoe, tsy mbola fantatra ny harena voajanahary any amin’ny 160 m ambanin’ny io fantatra io.

    Nanatontosa: Njaka Andriantefiarinesy

    Les commentaires sont fermées.