Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    An-kitsim-po : fifampifehezana ifotony

    Manana morontsiraka manodidina ny 5.000 km i Madagasikara. Velon-tenan’ny mponina amin’ireny faritra ireny ny harena an-dranomasina eo aminy. Manomboka mahatsapa ny maro amin’izy ireo, ankehitriny, fa miantraika amin’ny fiainana ankapoben’izy ireo tokoa ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo koa ny fanjonoana ampiasana fitaovana vaventy ataon’ireo mpanjono avy any amin’ny firenena mandroso sy matanjaka, satria mihena ny tahiry any amin’izy ireny, ka ifandrombahana ny aty amin’ny firenena madinika.

    Izany hoe, tsy ireo mponina amoron-tsiraka sy ny mpanjono madinika velively no manafaingana ny faharinganan’ny harena an-dranomasina.

    Fehiny, soa fa misy ny fikambanana iraisam-pirenena, toy ny Conservation international, nitsangana tany amin’ny firenena mandroso, Etazonia, saingy mahatsapa fa avy any amin’ny firenena matanjaka ihany no anisan’ny manafaingana ny faharinganan’ny harena anaty rano sy an-tanety. Ilaina kosa anefa ny fametrahana rafitra mazava sy mirindra, handraisan’ny mponina eny ifotony andraikitra, amin’ny alalan’ny “Dina” ifampifehezana.

    Njaka Andriantefiarinesy

    Les commentaires sont fermées.