Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hokaloina ny sanganasan’i Naka Rabemanantsoa

    « Mifankatiava ihany », « O Ralila », « Dobla sento », « Mivalo aminao ry tany »… Anisan’ireo sanganasan’i Naka Rabemanantsoa nanana sy mbola manana ny lazany ankehitriny. Hokaloin’ny Feon’Analamanga ny zoma 18 marsa izao manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva, ao amin’ny Cercle Germano-malagasy (CGM) Analakely izy ireo. Tarika ivondronana tanora tia sy vonona ny hampivelatra ny kalon’ny fahiny. Anisan’ny mpikambana ao anatin’ny Feon’Analamanga, rahateo, ny taranak’i Naka Rabemanantsoa. Haharitra adiny iray mahery ity fampisehoana ity.

    Raha tsiahivina, niforona tany amin’ny taona 2014 ny Feon’Analamanga. Efa nandalo dinga maromaro ny tarika ny taona 2015. Anisan’ireny ny famoahana rakikira « Ô Ralila » mirakitra ny sangansan’i Naka Rabemanantsoa ary ny fampisehoana an-tsehatra ny tao amin’ny CGM ihany ny volana septambra.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.