Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – «Can 2017» : hanampy an’i Franck i Dominique Veilex

    Kitra – «Can 2017»  : hanampy an’i Franck i Dominique Veilex

    Hiditra an-tsehatra indray ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Can 2017”. Araka ny efa nolazain’ny federasiona, hisy mpanazatra vahiny, hanampy eo amin’ny fitondrana ny ekipam-pirenena.

     

    Handray ny Repoblikan’i Centrafrique ny Barea de Madagascar, eo amin’ny andro fahatelo amin’ny fifanintsanana, amin’ny fiadiana ny “Can 2017”, tanterahina any Gabon. Fihaonana hatao any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga, ny 24 marsa ho avy izao. Ankoatra an’i Franck, ho avy hanatevina ny ekipa teknika koa ilay Frantsay, Dominique Veilex.

    Nambaran’ny tale teknika nasionaly fa mbola hijanona ho mpanara-maso fotsiny aloha izy, amin’izao satria tsy mbola mahalala ny baolina kitra malagasy sy ny mpilalaon’ny Barea.

    Ny alahady 20 marsa izy no ho tonga eto amintsika, raha ny fandaharam-potoana.

    Ankoatra izay, mpilalao 23 no nantsoin’i Franck, mpanazatra, hiatrika ity lalao hikatrohana amin’i Centrafrique ity, ka ny 7 amin’izany, mpila ravinahitra avokoa.

    Nomarihiny fa mbola manana herijika betsaka ny Barea, hiatrehana ity “Can 2017” ity. Tanjona aloha eto ny handresy an’i Centrafrique, eo amin’ny lalao mandroso sy miverina ary i Kongo, eto Madagasikara.

    Nitondrany fanazavana ny tsy niantsoana an’i Nônô, izay nambarany fa nisy fihenana kely eo amin’ny tanjaka. Ny amin’i Simouri kosa, nomarihiny fa anisan’ireo mpilalao ao anatin’ny “ossature”-n’ny Barea na tsy nampilalaovin’ny Cnaps Sport aza.

     

    Tompondaka

     

    Ireo mpilalao 23:

     Mpiandry tsatoby : Leda (Cnaps) ; Bastia (Elgeco +) ; Damien (Tana FC)

    Vodilaharana : François (Tana FC) ; Mamy Gervais (JS St Pierroisse) ; Tantely (Adema) ; Toby (Cnaps) ; Feno (Cnaps) ; Solo (Elgeco +)

    Irakiraka : Dina (Tana FC) ; Mika (Cnaps) ; Paul Johann (ST Raphael) ; Rojo (Ajesaia) ; Ando (Ajesaia) ; Rinjala (Cnaps) ; Florent (Adema) ; Njiva (Cnaps) ; Carolus (USM Alger) ; Zotsara (Virton)

    Lohalaharana : Dafé (Tourcoing) ; Faneva Ima (Creteil) ; Simouri (Cnaps) ; Voavy Paulin (Constantine)

    Les commentaires sont fermées.