Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

     Ny 11 marsa 2016 tamin’ny 7 ora hariva, nahazo vaovao tamin’ny olona iray ny zandary any Belo ambonin’i Tsiribihina fa nisy nibata an-tsokosoko ka nampidirina tao anaty fiara 4×4 ny lakolosy an’ny fiangonana FLM Belo ambonin’i Tsiribihina. Nametraka barazy avy hatrany teo amin’ny lalana fivoahana atao hoe Tsimafana ny zandary tao amin’ny borigady Belo. Tamin’ny 9 ora alina, nisy fiara 4×4 Hyundai izay nandalo teo ka nosavain’ireo zandary.  Tratra tao tokoa ilay lakolosy. Teo noho eo ihany, nosamborina avokoa ireo mpandeha efatra tao anatin’ity fiara ity. Anisan’izany ny tompon’andraikitra iray ao am-piangonana. Araka ny fanadihadiana nataon’ireo zandary, nokasain’izy ireo hamidy amina lehilahy iray any Antsirabe io lakolosy io mba hoenti-manavao sy manatsara ny fiangonana ihany ny vidiny. Manao ny fanadihadiana ny zandary any Belo ary notazomina ireo olona efatra ireo. Hatolotra ny fampanoavana anio.

    Les commentaires sont fermées.