Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hodinihan’ny CNE ny mpiadina tsy atolotry ny sekoly

    Hodinihan’ny CNE ny mpiadina tsy atolotry ny sekoly

     Nivory voalohany, omaly, tamin’ity taona ity ny mpikambana amin’ny filankevitra nasionaly ho an’ny fanabeazana (CNE) eto Madagasikara teo Anosy. Anisan’ny lohahevitra hodinihina mandritra ny hateloana ny momba ny mpiadina tsy atolotry ny sekoly amin’ny fanadinam-panjakana samihafa. Efa nambaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa tsy mbola hampiharina amin’ity fanadinana ho avy ity ny fetran-taona ahafahan’ny mpiadina miatrika izany. Hijery akaiky momba ny fandaharam-pianarana koa ny mpivory ary ny fampiofanana ny mpanabe. Mizara vaomiera dimy ny mpikambana ka samy handinika lohahevitra avy : fanarenana ny fanabeazana, kalitaon’ny fanabeazana, fanabeazana mampiaty, fitantanana mahomby ary fanomezan-kasina ny mpanabe malagasy. « Manao tolo-kevitra izy ireo fa anjaran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany ny mamadika izany ho lalàna sy hampihatra azy avy eo », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Rabeson Roland, omaly, teny Anosy.

    Mpikambana ao amin’ny CNE ny minisitera mpiahy, ny akademia malagasy, ny sendika rehetra mikarakara ny fanabeazana, ny sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, mpampianatra mpikaroka… ary mitarika azy i Ratrema William.

    Nijoro taorian’ny dinika nivoahan’ny dinan’ny fanabeazana teny Ivato ny taona 2014 ny CNE hanatsarana ny fanabeazana eto amintsika ka ifarimbonana izany.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.