Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsy mivelatra ny fikarohana momba ny fitsaboana

    Nisongadina nandritra ny fikaonandohan’ny firenena mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay mikasika ny tontolon’ny fahasalamana  eto Madagasikara, fa mbola tsy mivelatra ny fikarohana sy ny tontolo mikasika ny fitsaboana eto.

    Manaporofo izany ny mbola fahambonian’ny taham-pahafatesana amin’ireo aretina azo sorohina sy ny hafa. Mbola sarotra ny fahazoan’ny Malagasy fitsaboana mahafapo. Mbola ambony ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny aza…

    Niresahana indrindra ny fomba fitsaboana, karazana fitsaboana,  karazana aretina, politikan’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny ny zaikabe. Nofaranana, omaly, tetsy amin’ny Institut Pasteur de Madagascar ny hetsika.

    Lohahevitra nentina nandritra ny telo andro ny mikasika ny fahasalaman’ny vehivavy sy ny ankizy izay hifantohan’ny politikam-panjakana sy ny fitsaboana any an-tokantrano.

    Niarahana tamin’ny Ivotoeram-pikarohana ho amin’ny fampandrosoana sy ny masoivoho frantsay ary ny Institut Pasteur de Madagascar ny zaikabe.

    Nahafahana nanangona ny hevitr’ireo mpizaika teo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny hetsika. Nahitana ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana ihany koa ity fikaonandoha natao teto amintsika ity.

    Nahaliana ny mpandray anjara ny niresaka lohahevitra maro toy ny anjara toeran’ny vehivavy sy ny ankizy eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Teo koa ny firoborobon’ny fitsaboana nentin-drazana, ny fifandraisan’ny mpitsabo ny marary, ny fampiasana ireo karazam-panafody, ny tolotra momba ny fitsaboana misy….

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.