Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Andavamamba : saron’ny polisy i Dadahoa sy i Bongy

    Noraisim-potsiny ! Tratran’ny vela-pandriky ny polisy avy ao amin’ny poste de police Ilanivato teny Andavamamba, ny alatsinainy teo i Dadahoa sy i Bongy. Araka ny fanazavan’ny polisy, jiolahy raindahiny amin’ny fanaovana sinto-mahery eny amin’iny Cenam Andavamamba iny, ireto jiolahy ireto. Mandritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny an-toerana no tena famelezan-dry zalahy. Mpivady nandeha môtô no niharan’ny fanendahana tamin’io hariva io teny akaikin’ny Cenam nandritra ny fitohanan’ny fiara. Lasan’ireo jiolahy tamn’izany ny poketra nisy vola 6 hetsy Ar niampy finday roa. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy avy hatrany izy mivady niharan’ny fanendahana ary nanamafy tamin’ny polisy fa tadidin’izy ireo tsara ireo jiolahy nanendaka azy mivady. Nandeha ny fikarohana sy ny vela-pandrika ka tratra tamin’izany ny roa tamin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’izany. Nilaza ry zalahy nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa efa nigadra noho ny fanendahana, saingy izao niverina nanohy ny asa ratsiny izao indray vantany vao nivoaka ny fonja. Telo lahy ry zalahy no mpiaraka saingy tsy nandeha ilay namany iray tamin’io fotoana io.

    Naiditra am-ponja avy hatrany ry zalahy rehefa avy natolotra ny fampanoavana.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.