Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Dimy taona nivarotana rongony… : vehivavy iray tratran’ny polisy teny Ivato Tsena

    Dimy taona nivarotana rongony…  : vehivavy iray tratran’ny polisy teny Ivato Tsena

     Nidoboka am-ponja, omaly, indray ilay renim-pianakaviana, 32 taona voarohirohy ho mpanao trafikana rongony tratran’ny polisy teny Ivato Tsena, ny alarobia teo. Araka ny fanazavan’ny polisy, efa dimy taona no nanaovany ity asa fivarotana rongony ity ary efa nigadra teny Antanimora izy, ny taona 2012, saingy niverina nanohy ny asany indray taorian’ny fivoahana ny fonja. Nilaza izy nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa mahalafo fonosan-drongony miisa 35 isan’andro amin’ny vidiny 500 Ar. Tratra teny Ambatolampy Tsimahafotsy tamin’io fotoana io koa ny lehilahy iray mpivarotra rongony. Ity vehivavy ity ihany koa no mpamatsy rongony azy raha ny fanazavany tamin’ny polisy nandritra ny fanadihadiana.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.