Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sk Melody : hiverina an-tsehatra i Colombe

    Sk Melody  : hiverina an-tsehatra i Colombe

    Elaela tsy tazana ! Ho an’i Colombe manokana, karazana fiverenana eo amin’ny tontolon’ny hira sy ny sehatra ity. Alim-pikoranana hotontosaina anio manomboka amin’ny 9 ora alina eny amin’ny Sk Melody Mandriambero ity. Amin’ny maha « cabaret » azy, hianoka ao anatina « interprétation » ny mpankafy ny kanto ho tonga eny an-toerana. Ankoatra an’i Colombe, ho tonga eny an-toerana ihany koa ny Rotsy mozika. Raha tsiahivina, anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fifaninanana « Pazzapa » andiany faharoa ity mpanakanto tanora manana ny maha izy azy ity.

    Raha eo amin’ny fanafanana lanonana na « cabaret » tahaka izao, samy manavanana azy avokoa na ny mikalo ireo hira milamina na ny mihira ireo mihetsiketsika. Hifandimby eny an-toerana ny hira amin’ny teny malagasy sy amin’ny teny vahiny. Fantatra fa hanomboka hiseho sehatra matetitetika amin’izay i Colombe aorian’ity eny amin’ny SK Melody ity.

    Nanangona : HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.