Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ankadimbahoaka : voasambotry ny polisy ny lehilahy iray nanolana ny zanany vavy

    Ankadimbahoaka  : voasambotry ny polisy ny lehilahy iray nanolana ny zanany vavy

    Hatolotra ny fampanoavana, anio, ity lehilahy nahavita nanolana ny zanany naterany ity. Afakomaly izy no voasambotry ny polisy teny Ankadimbahoaka…

     

    Saron’ny polisy misahana ny fiarovana ny vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona teny Antetezanafovoany 67 ha i Emile Victor, 36 taona izay voarohirohy ho nahavita fihetsika mamoafady sy tamin’ny fomba feno habibiana tamin-janany vavikely 11 taona. Araka ny fanazavan’ny polisy, ny taona 2014 no nanaovany izany tamin’ilay menaky ny ainy. Tsikaritry ny vadiny izany fihetsika ratsy nataony izany ka nahatonga am-badiny ho nametraka fitoriana teny amin’ny polisy. Nitsoaka avy hatrany ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza rehefa fantany fa notorim-badiny teny amin’ny polisy izy. Tsy hita mihitsy anefa izy taorian’izay. Nanao ny fikarohana hatrany ny polisy nandritra izay fotoana izay ka izao tratra teny Ankadimbahoaka izao izy. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Voalaza fa imbetsaka nanamparany ny filan-dratsiny ity ankizivavikely zanany ity, saingy tamin’io fotoana io kosa vao fantatry ny reniny izany.

    Tsy vao izao fa maro ireo raim-pianakaviana mahavita fihetsika mamoafady amin’ny zanaka naterany. Aiza ny fiarovana ny zon’ny ankizy manoloana ny zava-doza mihatra aminy toy izao?

    J.C

    Les commentaires sont fermées.