Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Harena an-kibon’ny tany : vao mainka hamono ny mpandraharaha ilay sata vaovao?

    Manjavozavo! Maro ny zavatra tsy mazava ao anatin’ilay sata vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany. Ao anatin’izany, tsy afaka maminavina dieny mialoha ny kaontim-bolany sy ny vola kirakirainy ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola, satria miovaova sy ferana amin’ny alalan’ny didim-panjakana (décret) ny hetra, fa tsy voafaritra anaty Tetibolam-panjakana na Lalàna.

    Na ny hetra manokana (taxe superficiaire) amin’ny harena an-kibon’ny tany vao napetraka ankehitriny aza tsy voasoritra ao anatin’ity sata vaovao ity akory. Nosoratana mazava kosa anefa ny haba sy ny tamberim-bidy, mba anehoana fa mamaly ny hetahetan’ny besinimaro ity sata ity.

    Fototra iaingan’ny hetra isa-tsokajiny ny Sata ankapobeny mifehy ny hetra (CGI). Tsy hita mazava anefa ny paikady tena hampiroboroboana ny harena an-kibon’ny tany, sehatra tokony hitondra fampandrosoana ny toekarena sy ny firenena.

    Tsy mampazoto ny mampiasa vola eto amintsika

    Lafo rahateo ny masonkarenan’ny fampiasam-bola aty Madagasikara, satria mila manangana fotodrafitrasa lehibe sy maro. Tsy toy izany anefa ny any amin’ny firenen-kafa, ka tsy mampazoto ny mpampiasa vola vahiny ho aty amintsika.

    Manampy trotraka ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsarana eto Madagasikara, araka ny fanadihadiana farany nataon’ny rafitra iraisam-pirenena, Fraser institute. Mijery sy mitaratra ny fanadihadian’ity rafitra ity foana anefa ny mpampiasa vola vahiny rehetra tena matotra.

    Anisan’ny lafiny fampiharana lalàna tsy mazava eto amintsika ny fisintonan’ny fanjakana ny fahazoan-dalan’ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany. Ampiasaina ny teny “ fahadisoana goavana”, manana heviny malalaka rehefa tiana hanaovana antsojay ny mpandraharaha. Tsy hita soritra ny fampiharana ny fanjakana tan-dalàna, voizina sy lazaina fa apetraka.

    Hany ka, ny mpandraharaha sahy, manam-bola sy valizy feno hipoka no afaka miditra amin’izany fandraharahana toy izany eto amintsika, fa mifindra any amin’ny firenen-kafa ny vonona ny hanaraka ny lalàna.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.