Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Satan’ny Banky foibe : mila sarahina ny volam-panjakana sy ny foibe

    Satan’ny Banky foibe : mila sarahina ny volam-panjakana sy ny foibe

    Mila fanavaozana ny sata mifehy ny Banky foibe izay efa maherin’ny 24 taona izao. « Efa miova ny fomba fiasa ankehitriny isian’izay fanavaozana ny sata izay », hoy ny governoran’ny Banky foibe, Rasolofondraibe Alain Hervé. Ny tena soritan’ny governora manokana ny tokony hanasarahana mazava tsara ny volam-panjakana sy ny volan’ny Banky foibe. Miainga avy any amin’ny Banky foibe ny politika momba ny vola amin’ny ankapobeny, miampita any amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola, mandalo any amin’ny Tahirimbolam-panjakana.

    Araka izany, maka fanapahan-kevitra farany ny Banky foibe fa tsy tokony ho ny mpitondra mpanao politika akory. Avy ao no mamaritra ny sandam-bola ariary amin’ny vola vahiny. Avy ao aminy ny famaritana heverina fa mahatsara ny politika momba ny vola, ifandraisana amin’ny fanjakana. Noho ny fahasahiranan’ny fitondram-panjakana, mbola betsaka ny fiankinan-doha amin’ny Banky foibe.

    Amin’ny alalan’ny “avances statutaires” ny hamenoan’ny Banky foibe ny fatiantoka amin’ny volam-panjakana hatramin’izay. « Misy ankehitriny ny lalàna volavolaina hialana amin’izany avances statutaires izany », hoy ny governora, Rasolofondraibe Alain Hervé. Tafiditra ao anatin’ny fepetra takin’ny FMI rahateo izany. Nosoritany anefa fa hatao miandalana, izany hoe, hahena tsikelikely fa tsy tapahana avy hatrany.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.