Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toamasina  II : ankizy 52 245 nahazo vaksiny

    Toamasina  II : ankizy 52 245 nahazo vaksiny

    Notanterahina tetsy amin’ny kaominina Antetezambaro ny fanokafana ny fanaovana vaksiny polio tao Toamasina II, notarihan’ny  lehiben’ny mpitsabo, dokotera Bezandry Désiré. Ho an’ity disitrika ity izay manana kaominina 18, mahatratra 42 ny toeram-pitsaboana, 36 tantanan’ny fanjakana ary enina tsy miankina. Ankizy hatramin’ny 52.245 latsaky ny 5 taona   no nomena ny vaksiny fanefitra amin’ny lefakozatra, andiany fahafito izay nifarana omaly. Nambaran’ ity lehibe misahana ny fahasalamam-bahoaka anatin’ny disitrikan’ i Toamasina II ity, fa tsy tratra ny tanjona tamin’ny andiny fahenina ka heverina ho tsara kokoa ny vokatra  ho an’ny andiany fahafito. Efa tsara fiomanana rahateo ireo mpanentana ara- pahasalamana amin’ny fitetezana isan-tokatrano hatrany ambanivohitra lavitra. « Tombotsoa ho an’ny taranaka malagasy mba hanafoanana tanteraka ny lefakozatra ny hanaovana azy ity »,  hoy ny dokotera Bezandry Desiré.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.