Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fetin’ny Paska : hanorana sy hangatsiaka ny andro

    Fetin’ny Paska  : hanorana sy hangatsiaka ny andro

    Ho ratsy ny andro raha ny famintinana nataon’ny meteo malagasy manomboka amin’ny alarobia izao. Hikija ny oram-baratra. Mila miomana ireo hivoaka kely hanao fetin’ny Paska.

    Sady hanorana no hangatsiaka ny andro amin’ity herinandron’ny Paska ity eto Antananarivo sy ny manodidina raha ny vinavina nalefan’ny mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby omaly. Tafiditra ao anatin’izany ny faran’ny herinandron’ny Paska hop an’izay mikasa ny hivoaka ny trano hitsangatsangana sy hanararaotra ny herinandro lavalava.

    Vinavinaina ho tsara kosa ny andro any amin’ny ampahatelony avaratra sy atsimon’ny Nosy. Tsy misakana ny orana tsy ho avy anefa izany any amin’ny faritra sasany.

    Mamaramparana ny vanim-potoan’ny fahavaratra i Madagasikara. Any amin’ny faran’ny volana avrily any vao hiditra amin’ny manasara-taona isika ary miomana amin’ny hatsiaka.

    Marihina fa homarihina any Fianarantsoa rahampitso ny Andro maneran-tany ho an’ny meteo malagasy. Lohahevitra hovoizina ny hoe : « Mafana kokoa, maina kokoa, mando kokoa : Andao hiara-hibanjina ny hoavy ».

    Miankina betsaka amin’ny toetr’andro ny andavanandrom-piainan’ny olombelona indrindra ny seha-pihariana. Voakasik’izany ny fambolena izay mila orana amin’ny antonony kanefa sarotra matetika ny hahazoana izany.

    Eo koa ny fizahantany izay seha-pihariana miroborobo eto amintsika. Mirohotra eto Madagasikara ny mpizahan-tany rehefa maina ny andro ary manaraka akaiky ny fivoaran’ny toetr’andro mihitsy izy ireo vao mivahiny eto.

    Ankoatra izany ny fanjonoana izay antom-piveloman’ny maro anisa any amorontsiraka. Rehafa ratsy ny andro, tsy miandriaka ny olona. Zava-dehibe ho azy ireo ny fahafantarana ny toetry ny andro izay vao mirotsaka an-dranomasina na tsia.

    Toraka izany ny fitaterana na an-tanety na an-dranomasina. Rehefa avy ny orana, misy ny lalana tapaka tanteraka ka tsy azo hivezivezena. Rehefa mahery ny rivotra, mitsahatra ihany koa ny fitaterana an-dranomasina.

    Tsy ireo ihany fa miankina amin’ny toetr’andro ihany koa ny fahasalamana izay misy fotoana mampirongatra ny karazana valanaretina….

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.