Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nahazo tolo-tanana : afaka hitsabo tena any ivelany Razanamiadana

    Nahazo tolo-tanana  : afaka hitsabo tena any ivelany Razanamiadana

    Afaka hanohy ny fitsaboana ny vadiny any Maorisy Razafimananjaka, zandary efa misotro ronono. Miandry ny famoahan’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny tetibola sisa izy ireo dia roso amin’ny fandidiana any an-toerana. Nisy rahateo ny famalian’ny vadin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Voahangy, ny fangatahana tolo-tanana nataony. Natolotra azy omaly teny Ambohitsorohitra ny vola fanampiana ka solontena telo izay notarihin’ny mpiara-miasa amin’ny vadin’ny filoha, Ramamonjiarivelo Richard, ny nanotrona teo. « Tsy hamaha ny olana rehetra ny tolo-tanana fa hanampy kosa amin’ny fikarakarana rehetra », hoy ny nambarany. Tokony hosoloina ny « valve » ao amin’ny fon-dRazanamiadana Marie Louise satria tratran’ny asthme cardiaque ny tenany nefa tsy ampy ny fandefasany azy any Maorisy. Ny taona 2004 no nanomboka ny tsy fahasalamany ary 10 taona taty aoriana nanamafy ny mpitsabo manokana fa tokony hodidina izy hanoloana ny taova simba. 412 000 roupies ny tetibidin’ny fandidiana sy ny fitsaboana any Maorisy raha sanatria miampy fahasarotana hafa, anjaran’ny fianakaviana ny mandoa ny vidin’izany. « Niditra hotsaboina eny amin’ny CHU Alakamisy izy, omaly, fa sempotra be », hoy ny vadiny.

    Anisan’ny notolorana vola fanampiana koa ny talen’ny fanoratana ao amin’ny gazety Inona ny vaovao, Tiana Rakoto, izay nisy nanafika tao an-tokantranony ny alakamisy alina teo. Nanamafy izy fa tokony hojeren’ny fanjakana akaiky ny tsy fandriampahalemana eto amintsika isaky ny elakela-trano fa mirongatra izaitsizy amin’izao fotoana izao.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.