Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nosy Varika : olona roa matin’ny fitsaram-bahoaka

    Nosy Varika  : olona roa matin’ny fitsaram-bahoaka

    Olona roa indray matin’ny fitsaram-bahoaka tany Nosy Varika, faritra Vatovavy Fitovinany, afakomaly. Araka ny loharanom-baovao voaray avy an-toerana, nisy vehivavy iray maty novonoin’olona tao amin’ny fokontany Fanivelona ao Nosy Varika. Nanokatra fanadihadiana ny zandary ao an-toerana ka olona roa no voarohirohy ka notazonina ao amin’ny biraon’ny zandary. Nirohotra nihazo an’i Nosy Varika avy hatrany ireo fokonolona marobe nitondra antsy lava, famaky, lefona mba hanao fitsaram-bahoaka rehefa nandre fa voatazona ao amin’ny zandary ireo voarohirohy. Nikasa hitondra ireo voarohirohy hiala ny birao avy hatrany anefa ny zandary raha nandre fa ho avy ireo fokonolona anjatony maro. Tonga tampoka anefa ireo fokonolona marobe. Nangataka ny hanomezana ireo roa lahy izy ireo na rehefa tsy hanome ny zandary dia halain’izy ireo an-keriny ao amin’ny biraon’ny zandary. Voatery niditra an-tsehatra ny lehiben’ny distrika, ny ben’ny tanàna ary ireo mpanjaka tao an-toerana nanao ny fanelanelanana tamin’ireo fokonolona. Tsy nanaiky anefa ireo fokonolona ary nilaza fa tsy hamono fa tsy maintsy hatolotra azy ireo izy roa lahy mba hoentina any amin’ny vatomasina ao Fanivelona. Nasaina nanao taratasy anefa ny solontenan’ireo fokonolona amin’ny fiarovana ny ain’ireo voarohirohy. Tsy lasa lavitra ny tanànan’i Nosy Varika anefa dia notaperin’ny fokonolona ny ain’izy roa lahy voarohirohy.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.