Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambodirano Ivato : fatin-dehilahy natsingevan’ny rano hitan’ny olona

    Ambodirano Ivato  : fatin-dehilahy natsingevan’ny rano hitan’ny olona

    Omaly maraina, tokony ho tamin’ny 8 ora teo, fatin-dehilahy iray natsingevan’ny rano no tazan’ny olona monina eny Ambodirano Ivato. Nampandre ny fokontany avy hatrany izay nahita, ka niantso ny zandary sy ny manampahefana ireo avy eo. Nakarina an-tanety ny razana, ka hita tamin’izany fa lehilahy iray tokony ho 50 taona eo izy io. Teny an-kodiny ny akanjony, kanefa nahitana ratra ny lohany. Nanamarina ny dokotera nizaha ny razana fa nisy diana daroka ny lohany ary mety nitarika ny fahafatesany izany. Efa andro maromaro koa ny nahafaty azy ary izao hita tao anaty rano izao.

    Mipetraka ny ahiahy ny amin’ny mety namonoana an’ity rangahy ity. Novonoina vao natsipy tao anaty rano, sa mety naratra ka nitsoaka vao latsaka tanaty rano? Mandeha ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana mikasika ny fahitana ity razana ity. Nisy nahafantatra azy ny olona teny amin’ny manodidina rehefa nizaha izany. Fantatra fa olona monina eny amin’ny manodidina an’Ivato ihany izy io. Miandry izay valin’ny famotorana momba ity fahafatesana ity ny rehetra.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.