Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rafitra fanajariana tanàn-dehibe valo : 6,492 miliara Ar fanomezana avy amin’ny Bad

    6,492 miliara Ar ny famatsiam-bola fanomezana avy amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad), handrafetana ny lamina ho fanajariana tanàn-dehibe valo : Toliara, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina, Antsiranana, Antsirabe, Taolagnaro ary Nosy-Be. Vita tao amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola, ny 21 marsa teo, ny fanaovan-tsonia momba izany teo amin’ny minisitra Rakotoarimanana Gervais sy ny solontenan’ny Bad, Abdelkrim Bendjebbour. Tanjona amin’io fanampian’ny Bad io ny hanajariana ireo tanàna ireo, miainga avy amin’ny fandrafetana azy ny voalohany ary faharoa, fametrahana ireo rafitra hitantana sy hanara-maso ny lafiny teknika miaraka amin’izay mpiara-miombon’antoka.

    Tompon’antoka amin’ny fampiasana izany fanampiana avy amin’ny Bad izany ny minisiteran’ny Rano. Laharam-pahamehana ny ady amin’ny fahantrana hanampiana ireo vahoaka marobe any amin’ireo tanàn-dehibe ireo. Nanamafy ny fisaorana ny Bad ny minisiteran’ny Fitantanam-bola amin’izao tetikasa izao, hanampy betsaka amin’ny fanosehana ny toekarena eto amin’ny Nosy. Betsaka ny asa miandry amin’ny fanajariana ireo tanàn-dehibe valo ireo, nandritra ny taona maro tsy nisy rafitra vaovao najoro, nefa ny isan’ny mponina mitombo hatrany. Mila fanajariana ireo tanàna rehetra ireo, amin’ny fanitarana ny tanàna, lalana, famatsiana herinaratra sy rano, fanodinana fako, sns.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.