Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tratra namaky fiangonana tao Toamasina : Jiolahy iray nidoboka ao Ambalatavoahangy

    Tratra namaky fiangonana tao Toamasina : Jiolahy iray nidoboka ao Ambalatavoahangy

    Nidoboka avy hatrany ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy, omaly tolakandro, ilay jiolahy tratra namaky fiangonana tao Tanambao fahadimy Toamasina, ny alakamisy teo…

     

    Nahatsikaritra zavatra hafahafa ny pretra sy ireo relijiozy ao amin’ny fiangonana iray ao Tanambao fahadimy Toamasina tamin’io fotoana io. Niantso polisy avy hatrany ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fiangonana. Tonga teny an-toerana ny polisy taorian’izay ka tsikaritra tokoa fa efa nisokatra ny varavaram-piangonana. Tratra teo am-pibatana zavamaneno sy ny fanamafisam-peo ilay jiolahy ka tsy afa-nihetsika intsony. Niaiky avy hatrany koa izy fa nangalatra ny fitaovana tao amin’ity fiangonana katolika ity. Tsy niandry ela fa natolotra ny fampanoavana taorian’ny famotorana nataon’ny polisy ka izao naiditra am-ponja vonjimaika izao.

    Mitohy ny hetsika ataon’ny polisy

    Etsy ankilazan’izay kosa, mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny polisy ao Toamasina amin’ny fisamborana ireo mpanendaka sy tontakely amin’ireo faritra voasokajy ho faritra mena. Nandritra ny hetsika manokana nataony tao Ambolomadinika no nahatrarana mpanao sinto-mahery miisa dimy. Renim-pianakaviana iray nody alina no tratran’izy ireo. Tratra koa ireo mpanendaka malaza ratsy amin’ny fanendahana ao Tanambao Verrerie. Mbola hita tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy ny fakan-tsary sy ny ambim-bola nangalarin’izy ireo. Natolotra ny fampanoavana ireto jiolahy ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy.

    J.C sy Sajo

    Les commentaires sont fermées.