Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Alatsinain’ny Paka : ho sehatra ho an’ny gadona maroloko eny Antaninkatsaka

    Alatsinain’ny Paka : ho sehatra ho an’ny gadona maroloko eny Antaninkatsaka

    « Paska milay be ». Lohahevitra sady anaran’ny seho lehibe ankalamanjana, izay hotontosaina ny alatsinain’ny Paka ho avy izao, eny Antanikatsaka Itaosy, io. Seho izay natao hampiarahana mpanakanto maro, samy manana ny gadona voiziny, raha ny filazan’ny mpikarakara. « Tanjona ny hahazoan’ny tsirairay fahafinaretana ka nezahina nampiarahina amina sehatra iray ireo tarika heverina fa be mpankafy amin’izao fotoana izao », hoy ny filazan’i Rado Romeo, solontenan’ny mpikarakara M Prod sady mpanentana ny lanonana ihany koa.
    Hitondra ny gadona rock ny tarika Mage 4. Hizara ny gadona R’n’b sy ny hafa nampalaza azy kosa i Marion, raha toa ka hitondra ny rap ry THT. Anjaran’i Elodie, Khaleba ary Black Nadia ny gadona mafana. Hoelanelanin-dry Bi Jocker “Rado Djo sy Rado Roméo” amin’ny fanentanana isan-karazany ny fiakarana an-tsehatra hataon’ireo mpanakanto ireo.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.