Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Firaisamonina sivily ho amin’ny HCDDED : hatsangana ny vaomiera vaovao hikarakara fifidianana

    Firaisamonina sivily ho amin’ny HCDDED : hatsangana ny vaomiera vaovao hikarakara fifidianana

    Hanao ahoana ihany ny fifidianan’ny firaisamonina sivily izay ho solontenany amin’ny HCDDED? Hatsangana indray ny vaomiera vaovao hikarakara izany…    

    Hanao fivoriambe ireo eo anivon’ny firaisamonina sivily, ny 31 marsa ho avy izao, araka ny fanambarana avy amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, omaly. Ny anton’ny fivoriana: fananganana indray ny vaomiera manokana hikarakara ny fifidianana izay ho solontenan’ny firaisamonina sivily ao amin’ny Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED).

    Raharahan’ny firaisamonina sivily madiodio ny fanendreny izay ho solontenany amin’izany, fa tsy misy idiran’ny fanjakana na ny andrimpanjakana hafa, raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana, eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera, Rajoelison Josué, omaly. Saingy araka ny lalàna, misy ny vaomiera manokana hatsangana hitarika sy handrindra ny fanendrena izay solontenan-dry zareo izay amin’ny alalan’ny fifidianana.

    Tsy misy vovonana mahasolo tena ny firaisamonina sivily

    Rehefa mitsangana ny vaomiera manokana, tsy miditra intsony ny minisitera fa miandry ny valim-pifidianana toy ny amin’ny andrimpanjakana hafa rehetra. Manome ny toromarika ny hanaovana ny fifidianana sy ny fandefasana ao anatin’ny 60 andro ny anarana amin’izany ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera.

    Tsy mbola misy aloha vovonana mahasolo tena ny firaisamonina sivily manerana an’i Madagasikara. Raha misy firaisamonina sivily mijoro amin’izany eo, misy hafa hanohitra, raha ny nambarany. Izay no iantsoana ny rehetra ho tonga amin’io 31 marsa io. Mametraka ny fitsipika rehetra ao anatin’ny fanendrena ao izy ireo.

    Tsy miditra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ny fanjakana, afa-tsy ny fananganana ny vaomiera manokana. Ny anarana mivoaka amin’izay ihany no ara-dalàna.

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.