Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Olona 1 tapitrisa mahery tratran’ny hanoanana : niaiky ny fanjakana fa misy kere any atsimo

     Niaiky ihany ny fanjakana fa misy ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo. Mahatratra 1 tapitrisa mahery ny olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimo, amin’izao fotoana izao, araka ny tatitra nivoaka tao amin’ny filankevitry ny governemanta, vokatry ny fanadihadiana nataon’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny volana febroary lasa teo. Tratran’io olana ara-tsakafo io avokoa ny 80%-n’ny mponina amin’ny distrika fito : Amboasary, Ambovombe, Tsihombe, Beloha, Bekily Ampanihy ary Betioky. 475 523 amin’ireo voalaza fa tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo azo sokajina fa mbola antonony, 663 484, kosa efa tafiditra amin’ny tsy fanjarian-tsakfo mahery vaika. Mila vola hatramin’ny 69,7 tapitrisa dolara isika hanarenana ny fahavoazana ka misy ny antso atao amin’ny mpiray ombon’antoka vahiny. Nisy ny paikady napetraky ny fanjakana sy ny mpanohana ara-bola sy teknika nefa tsapa fa miharatsy ny toe-draharaha, indrindra amin’ny distrika fito voalaza.

    Vokatry ny tsy fahampian’ny orana nanomboka ny taona 2015 no niteraka ny olana ara-tsakafo. Manampy trotraka ihany koa ny fiakaran’ny maripana manimba ny voly rehetra.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.