Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vakoka any Atsimo Atsinanana : raikitra ny Festival « Batrelaky »

    Vakoka any Atsimo Atsinanana : raikitra ny Festival « Batrelaky »

    Fantatra fa tanterahina any Farafangana, ny 26 ka hatramin’ny 28 marsa izao ny Festival « Batrelaky ». Hetsika karakarain’ireo mpanakanto zanak’iny faritra iny mivondrona ao anatin’ny fikambanana iray. Anisan’ny tanjona ny hanasongadina sy hampahafantatra amin’ireo taranaka ny vakoka navelan’ny razambe any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, raha ny fanazavan’i Pros’hely, filohan’ny fikambanana. Ho hita mandritra ny hetsika ny mozika mampiavaka ny faritra, ny taovolo, fandihy sy fomba amam-panao maro mirakitra soatoavina.

    Anisan’ireo hanafana ny kianja monisipalin’ny Farafangana ny tarika Ragnandria, Dat’kotry, Marolahy, Kavezo, Bakidy Gegette, Lukassa, Jacky Edmée ary Pros’hely na ilay kalazalahy amin’ny fiangaliana ny kaiamba amin’ny gitara marani-peo.

    Kendrena hisy isan-taona ny Festival “Batrelaky” raha ny fanazavan’ity mpanakanto miezaka ny hampialavoly sy hanabe amin’ny alalan’ny sehatry ny zavakanto ity.

    Nanangona: HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.