Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zaka tsara : fitsarana ny marina…

    Folo, roapolo, telopolo… Efa ho fitopolo taona izao ny “Raharaha 29 marsa 1947“. Hatramin’izao, tsy fantatra ny marina; na fantatra aza, ifandroritana be ihany. Tsy ananana fahasahiana ny fiatrehana ny marina?

    Fomba fiteny ihany ny hoe: ny marina tsy mba maty. Ahina ho matimaty foana aza ny marina, raha tsy fantatra na odian-tsy fantatra. Tsy misy ny fanadihadiana ny marina? Na misy fa tsy avoaka, na atao izay tsy hivoahany…

    Mety tsy marina koa ny fitenenana hoe samy hotsarain’ny tantara. Tsy mbola fantatra ny marina ka hitsara ahoana? Mbola mitsara ny tantara aza ny sasany: diso sa marina? Na manatsara ny tantara amin’izay mahamety azy…

    Fomba fitenenena koa ny hoe mandratra ny marina. Na izany aza, manafaka koa ny marina. Amin’ny ahiahy tsy ihavanana io, na fifanomezan-tsiny, na fifampiandrasana kendry tohina…

    Mbola mibahana izany amin’izao?

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.