Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambato-Boeny : tezitra ny mponina, noroahina ireo jiosy gasy

     Misy andian’olona antsoina hoe Jiosy gasy mitoby amina trano tokony ho 20 tafo tao amin’ny fokontany Ambatoatsimo, kaominina sy distrikan’Ambato-Boeny. Noroahin’ny tompon’andraim-panjakana any an-toerana izy ireo, ny herinandro teo. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, rehefa nohadihadiana ireto Jiosy gasy ireto, samy milaza fa tsy misy manana kara-panondro sy fifindra-monina ary tsy nahazo alalana amin’ny fanorenana antokom-pivavahana. Noho izany tsy fanarahan-dalàna izany, nisy ny fivoriana niarahan’ireo tompon’andraim-panjakana sy mpitandro filaminana any an-toerana. Nisy didy izay nivoaka amin’ny fanalana ireto Jiosy ireto. Tezitra amin’izy ireo ny mponina any an-toerana satria miteraka korontana ny fitobian’izy ireo. Nanome 48 ora mba hialany ireto Jiosy gasy ireto ny tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana. Ny mpitandro filaminana kosa no misahana ny fisafoana ao an-toerana.

    Mifindrafindra toerana hatrany ireto Jiosy ireto satria efa teto Antananarivo izy ireo no nifindra toeran-kafa ka izao tonga any Ambato-Boeny izao.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.