Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiaraha-miasa amin’ny Telma : hanomboka any Foulpointe ny « Sômaroho ! »

    Fiaraha-miasa amin’ny Telma : hanomboka any Foulpointe ny « Sômaroho ! »

    Tsy any Nosy Be irery ihany ! Fantatra fa efa hanomboka anio ny « Festival Sômaroho!” ho an’ity taona ity, ary any Foulpointe no hotontosaina izany. Hanokatra ny fetin’ny Paka rahateo, ka tsy hifarana ny hetsika raha ny 28 marsa. Hifandimby hanafana ny sehatra ireo mpanakanto maro, toa an-dry Kapepeky, Gangstabab, Bouessa, Black Nadia, Espérance, Fyah, Dah-Mama, Hazolahy, Supreme, Odyai, Ejema, Deenyz, Jupa’Bango, Jb Junior, sns, mandritra ireo andro vitsivitsy ireo. Mazava loatra fa hamarana ny lanonana amin’ny seho goavana i Wawa, izay angady nananana ny “Festival Sômaroho!

    Lalao “Sômaroho!”
    Herin’ny “Festival Sômaroho!” hatramin’ny nanombohany ny fahasamihafana ara-kolontsaina. Nanohana izany hatrany ny orinasa Telma, indrindra amin’ny fitetezam-paritry ny “Sômaroho!”. Aorian’ny any Foulpointe mantsy, hiatrika ny tena lazan’ny hetsika any Nosy Be indray ny mpikarakara, ny herinandro faran’ny volana aogositra. Maro ireo maniry te hanatrika izany any an-toerana, ka manome fahafahana azy ireo ny Telma amin’ny alalan’ny lalao “Sms” iray. Mila mandefa ny hoe “Somaroho” arahin’ny anarana feno any amin’ny laharana 034 34 079 79 izay te handray anjara, ka izay mandefa “sms” betsaka indrindra hatramin’ny 31 jolay no afaka hanatrika ny hetsika any Nosy Be. Miaraka amin’ny olona iray izay safidiny izy, ka iantohana avokoa ny rehetra, hatramin’ny sakafo sy ny fitaterana.
    Tsiahivina fa mpanakanto fanta-daza maneran-tany roa no handrasana amin’ity, dia i Luyanna sy Papou.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.