Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taona 2015 : 29 520 ny mararin’ny tiberkilaozy

     « Mahatratra 233 amin’ny olona 100 000 ny olona mararin’ny tiberkilaozy eto amintsika », hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanarivo Mamy Lalatiana, omaly nandritra ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny tiberkilaozy. Nandritra ny taona 2015, nahatratra 29 520 ny marary (matetika manodidina ny 15-49 taona) nahazo fitsaboana ka ny 89 tamin’ireo, mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida avokoa. Fantatra fa mbola misy ny marary tsy mitsabo tena na tsy manao fizaham-pahasalamana ka mamindra amin’ny hafa. Ny marary iray tsy mitsabo tena anefa, mamindra amin’ny olona 12 isan-taona ka lasa olana amin’ny fahasalamam-bahoaka.

    Ny taona 2014, 83% ny taham-pahasitranan’ny marary nanaraka ny fitsaboana hatramin’ny farany. Maharitra enim-bolana ka hatramin’ny valo volana ny fitsaboana ary hanina isan’andro ny fanafody.

    Mandray andraikitra ny fanjakana iadiana amin’ny aretina, maimaimpoana avokoa ny fitiliana sy ny fitsaboana ny tiberkilaozy eny amin’ny CSB rehetra sy ny hopitalim-panjakana. Atao manakaiky ny vahoaka ny toeram-pitsaboana ialana amin’ny fahalainana sy ny vola mivoaka mandritra ny fitsaboana.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.