Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Samy efa nigadra teny Antanimora : tratran’ny polisy teny Antaninarenina i Lavakely sy ny namany

    Samy efa nigadra teny Antanimora  : tratran’ny polisy teny Antaninarenina i Lavakely sy ny namany

    Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany Analakely, teny Antaninarenina, omaly vao maraina i Lavakely sy ny namany. Araka ny fanazavan’ny polisy, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy fanendahana ry zalahy ireto. Voalaza fa nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy no nahasamborana azy ireto. Vao nahatazana ny jiron’ny fiaran’ny polisy ry zalahy dia lasa nandositra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra teo akaikin’ny zaridaina Antaninarenina ireto jiolahy ireto. Nahitana antsy sy kara-panondro sandoka tany amin’izy ireo nandritra ny fisavana nataon’ny polisy. Niaiky izy ireo nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa tena jiolahy mpanendaka sy mpangarom-paosy ary efa samy nigadra noho io asa ratsy io avokoa. Maro rahateo ireo olona efa nitondra faisana tamin’ireto jiolahy ireto, raha ny fanazavana hatrany.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.