Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Seho eny amin’ny Coliseum : 15 taona niakarana sehatra i Jerry Marcoss

    Seho eny amin’ny Coliseum : 15 taona niakarana sehatra i Jerry Marcoss

    Mpanakanto anisany nitondra loko hafa tamin’ny mozika mihetsika i Jerry Marcoss. 15 taona lasa tokoa izay no nampiaka-daza vetivety ity mpanakanto nivoy ny salegy sy ny gadona mampiavaka ny tapany avaratry ny Nosy ity. Anisan’ny nampalaza azy ny hirany rehetra izay nivoaka dia lasa fandihizan’ny fianakaviana avokoa, ka nanomezana azy ny anarana hoe “mpanjakan’ny kawitry”.
    Teo foana ary tsy mba nilentika i Jerry Marcoss tao anatin’izay 15 taona izay. Ho fanamarihana ny tsingerintaona niakarany an-tsehatra izay, hisy ny seho goavana ny alatsinain’ny Paka izao, etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny seho, ka ireo mpanakanto izay nasainy manokana no hifandimby an-tsehatra hanafana izany. Anisan’ireny i Nina’s, Big Mj, Gangstabab, Jazz MMC, Taa Tense, Kougar, Jeffro Kolor, sns. Hamarana ny seho mandritra ny oravitsivitsy i Jerry Marcoss.

    ZonyAina

    Les commentaires sont fermées.