Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Basikety – «Amboaran’ny filoha» : nivoaka sempotra ny Zandary vao nandresy ny Polisy

     Ny GNBC (Zandarimaria), teo amin’ny lehilahy ary ny MB2All, ny vehivavy. Ireo no nandrombaka ny amboaran’ny filoha, taranja basikety. Fihaonana notontosaina teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny asabotsy lasa teo.

    Sahirana ny zandary vao nandresy ny Cospn (Polisy) teo amin’ny lehilahy, satria efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao tafavoaka, tamin’ny isa 79 noho 77, izy ireo. Nisaraka ady sahala 70 noho 70 ny roa tonta, tao anatin’ny fe-potoana efatra. Ny Cospn, notarihan’i Claudio sy ry Feno no nitarika an’isa, teo amin’ireo tapa-potoana roa voalohany (21/17 ; 32/29). Nanohitra, ry Danz kely sy Chancy, taorian’io ka sahala ny isa. Ny hakingana no tena nibatany ny fandresena. Voahosotra ho mpilalao mendrika, Ndranto, GNBC.

    Tamin’ny isa 76 noho 61 kosa, nanilihan’ny MB2 All ny Fandrefiala, teo amin’ny vehivavy. Lasan’i Mampionona (MB2 All), ny mpilalao mendrika.

    Marihina fa nomen’ny Telma, 3.000.000 Ar ny GNBC ary 1.000.000 Ar kosa ny MB2 All.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.