Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Volley-ball : nandresy an’i Alzeria ny GNVB

    Miady ny laharana faha-9 – 16 na ny “play-off” ny GNVB, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja volley-ball. Fihaonana tanterahina any Alexandrie, Egypta. Nandresy ny Fanar avy any Alzeria, ny zandarimaria malagasy, omaly. Tamin’ny seta 3 noho 2 (20/25 ; 23/25 ; 25/12/; 25/14 ; 15/13) nisarahan’ny roa tonta tamin’izany. Mbola hiatrika ny Ahly Beni Ghazi, avy any Liberia ny GNVB, amin’ity anio ity. Ry zareo Liberianina, izay nandresy ny Daim Hamad, avy atsy Afrika Atsimo, tamin’ny seta mazava 3 noho 0 (25/16 ; 25/10; 25/23).

    Tsiahivina fa nitana ny laharana fahatelo ny GNVB, tao anatin’ny sokajy “A”, nisy azy nandritra ny fifanintsanana. Ny roa voalohany, isaky ny sokajy ihany anefa no tafita miatrika ny lalao ampahefa-dalana. Resin’ny Zamalek-n’i Egypta sy Swhely avy Liberia. Nandresy ny AS Police avy any Sénégal sy ny DGSP- n’i Kongo ary ny Hamad avy any Afrika Atsimo.

     Tompondaka

     

     

    Les commentaires sont fermées.