Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Manakara : iharan’ny antsojay ilay kaomisera

    Tsy afa-bela ? Nitaraina noho ny famindran-toerana azy intelo : tany Mahajanga, Fianarantsoa ary Manakara tao anatin’ny herintaona, ny kaomisera iray. Tsy nampilamina ny fiainam-pianakaviany sy ny tokantranony, indrindra fa ny fianaran’ny zanany izany. Voalaza fa anton’ny famindran-toerana ny fanatanterahana ny baikon’ny ao ambony.

    Tsy vitan’izany fa nesorina amin’ny trano nipetrahany tao Manakara mihitsy ity manamboninahitra eo anivon’ny polisy ity, ny 16 marsa teo, rehefa nambara fa tapitra ny 48 ora, fe-potoana nomena azy. Tsy nisy resaka na fifamindram-pitantanana tamin’izany.

    Manoloana izany rehetra izany, nametraka fitarainana eny anivon’ny filankevim-panjakana ny tenany ary nahazo rariny ary miato ny fanesorana azy nefa izao notsinotsinoavina izao.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.