Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Piment Café : hanakoako indray ny hiran’i Levelo

    Piment Café : hanakoako indray ny hiran’i Levelo

    Tsy tapitra tamin’ny fahatsiarovana fotsiny, fa manohy sy mamelona hatrany ny mozikany ny tarika Levelo. Hiaka-tsehatra indray izy ireo.

    Manohy hatrany. Na teo aza ny fahalasanan’ny mpamorona, mbola misy ary manohy hatrany ny mozika ny tarika Levelo. Fantatra fa hisy indray ny fiakarana an-tsehatra, hameloman’ny tarika Levelo ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay, ny zoma 1 avrily ho avy izao, etsy amin’ny Piment Café Behoririka, manomboka amin’ny 9 ora alina.
    Tsy nanova ny rindra, fingadona indrindra ny angola nametrahan’i Levelo ny hirany ireo zanany, izay mamelona ny tarika. Vao mainka aza mahazo aina vao izany, raha tarafina amin’ireo hira novelomin’ny tarika taty aoriana, toa ny « Vetin’ampango », « Mamerovero », sns. Mbola eo ihany misahana ny fitazomana izay fototra izay i Lolona, nitana ny feo nampiavaka ny tarika Levelo hatramin’izay.
    Tsy nosoloina, satria tsy ho voasolo rahateo, i Levelo ao anatin’ny tarika. Misy kosa ireo mpanakanto namana manampy eo amin’ny fitendrena sy ny fihirana, mba hamoaka ilay fanahin’ireo hira. Mila izay fampiarahan-talenta izay mantsy ireo hira hain’ny maro, toa ny “Mpanarato mody”, “Benandro”, “Tsy haiko ny mangina”, “Fakitera”, “Kivarivary”, “Donakafon’amponbo”, sns.
    Tsy hijanona amin’ny “cabaret” fotsiny, fa manam-pikasana ny hamerina ny fandraisana an-kira, hanatontosana rakikira manokana ny zanak’i Levelo amin’ity taona ity.

    Randria.

    Les commentaires sont fermées.