Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ramarosaona Faraniaina : “Misy minisitra niray tsikombakomba ny “Raharaha andramena” any Singapour”

    Ramarosaona Faraniaina  :  “Misy minisitra niray tsikombakomba ny “Raharaha andramena” any Singapour”

     Mby aiza ny “Raharaha andramena”? Maneho ohatra ny avy amin’ny firaisamonina sivily, filoha teo aloha anisan’ny nanorina ny Olom-pirenena tomponandraikitra (Opta), Ramarosaona Faraniaina: “Mampiseho ny “Raharaha andramena” mavaivay, dinihin’ny fitsarana any Singapour, fa misy minisitra niray tsikombakomba tamin’ny vahiny any ivelany.” Dinidinika…

    Gazety Taratra (*): Ahoana ny fijerinao ny fanjakana tan-dalàna eo amin’ny ady amin’ny kolikoly?

    Ramarosaona Faraniaina (-): Fanararaotam-pahefana hahazoana tombontsoa manokana, ho an’ny tena na ny vondrona misy ny tena, ny kolikoly. Voafaritry ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC), taona 2015-2025, ny ady amin’izao… Nosoniavin’ny filoham-pirenena izy io, ny 21 septambra 2015; taty aoriana, ireo minisitra rehetra.

    Misy tanjona fototra telo izany, izay fanamafisana ny tany tan-dalàna mamaly ny hetahetam-bahoaka: ny rariny sy ny hitsiny. Eo ny fitsarana madio; manaraka, hatao izay hisian’ny fepetra hahazoana mahefa fampandrosoana ara-toekarena; ary ny fampirisihana ny mpitarika eto amin’ny firenena hiady amin’ny kolikoly.

    Antsika Malagasy io ady io noho ny maha aretina fototra ny tsy fahaiza-mitantana eto amintsika, rehefa zohina ireo mpitondra nisesy sy misy eto amin’ny firenena.

    * Inona no tena laharam-pahamehana amin’izany?

    – Sivy ny sehatra laharam-pahamehana iadiana amin’ny kolikoly ao amin’ny SNLCC: ny fitsarana, ny zandary sy ny polisy izay iasana amin’ny fanamafisana ny tany tan-dalàna mikendry ny hetahetam-bahoaka araka ny rariny sy hitsiny. Eo koa ny amin’ny volam-panjakana toy ny hetra sy ny fadintseranana ary ny fandaniam-bolam-panjakana; ny harem-pirenena toy ny an-kibon’ny tany, ala, jono… Ary ny fitsinjaram-pahefana sy ny fananan-tany, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny sehatra tsy miankina.

    Vokatry ny fakan-kevitra teto amin’ny firenena, oktobra 2014-mey 2015, ny SNLCC. Natao izay tsy nanavahana na iza na iza. Samy nanamarika ny mpiantsehatra tamin’izany fa raha tsy misy ny fahavononana politika avy amin’ny mpitondra, ho zava-poana ny ady amin’ny kolikoly.

    Tokony ho hita taratra amin’ny fampitaovana ampy tsara izany, fampiharana ny lalàna… Ho hita ny olom-pirenena miandalana eny raha tena hanao tokoa ny mpitondra na tsia. Raha tsy misy ny tany tan-dalàna, zava-poana sy tsy hisy vokany ny ady amin’ny kolikoly.

    * Inona marina ity hoe tany tan-dalàna?

     – Mametraka ny mpahay lalàna fa misy lafiny efatra ny maha tany tan-dalàna, fa tsy fanarahan-dalàna ihany: fanajana ny ambaratongan-dalàna araka ny fenitra, fitovian-jon’ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna, fanajana ny lalàna misy, fahaleovantenan’ny fitsarana. Misoroka ny fanamparam-pahefana mety hataon’ny mpitondra amin’ny firenena iray ny tany tan-dalàna.

    Ny amin’ny fanajana ny ambaratongan-dalàna, tsy maintsy manaja ny fanapahan-kevitra na ny lalàna avoakan’ny fanjakana: ny lalàmpanorenana, ny fifanarahana iraisam-pirenena. Tsy maintsy manaja ny lalàna amboniny izay fanapahan-kevitra sy lalàna apetrany. Izay ilay fanaraha-mason’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), raha araka ny lalàmpanorenana na tsia izay lalàna fidin’ny Antenimierampirenena.

    * Misy ohatra mba hampahazava izany bebe kokoa ve?

    – Momba ny Advance Cargo Declaration (ACD), ohatra, izay haba hafa noforonin’ny fanjakana. Nokasainy ampiharina amin’ny orinasa mpanondrana sy mpanafatra izy io, na ho an’ireo orinasa manana sata manokana toy ny any Ambatovy.

    Nametrahan’ny fanjakana ny ACD ny fanapahana roa: lah.18837/2015, ny 4 jona 2015; ny lah. 1456/2016, ny 20 janoary 2016. Nefa misy lalàna ambonin’ireo, manohitra ny fametrahana io haba io. Tsy voafaritra ao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola, taona 2016, izy io, ary tsy fantatra ny ampiasana azy hoe: ho an’iza? Nampieritreritra be… Efa nofoanana ny ACD noho ny nandavan’ny sehatra tsy miankina toy ny Gem.

    Nanandrana hihoa-pefy ny fanjakana, namorona lalàna tsy nanaja ny ambaratongan-dalàna araka ny fenitra. Tsy fanajana ny tany tan-dalàna izany. Tsy mazava koa ny saika hampiasany ny vola niditra amin’izany. Enga anie tsy hisy ny manaraka!

    * Ahoana ny amin’ny fitovian-jo eo anatrehan’ny lalàna?

     – Tsy maintsy manaja ny lalàna velona misy ny mpiantsehatra rehetra. Na olom-pirenena tsotra io, na fikambanana sy vondrona miankina na tsia amin’ny fanjakana hoe mpiantsehatra moraly, hatramin’ny fanjakana. Tsy misy ambonin’ny lalàna na iza na iza, tsy misy avahina manokana amin’izany.

    Ny fiantraikan’izany: fisorohana ny fihoaram-pefin’ny fanjakana, na izay rehetra miasa ao aminy na iza na iza. Afa-manery ny fanjakana eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna ary mpitsara ny olom-pirenena mba hanajana ny fitovian-jo eo anatrehan’ny lalàna. Eo koa ny fikambanana sy vondrona na mpiantsehatra amin’izany, ny tsy miankina toy ny firaisamonina sivily.

    * Ahoana ny amin’izay eo amin’ny fiainam-pirenena eto amintsika?

    – Mampiseho, ohatra, ny “Raharaha andramena” mavaivay, dinihin’ny fitsarana any Singapour, fa misy minisitra niray tsikombakomba tamin’ny vahiny any ivelany, namela izany fanondranana izany. Tsy voakitika velively izy, ary tsy mieritreritra hiala amin’ny asany. Mateti-pitranga io, mahatonga ho ambany ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny mpitondra. Raha mangalatra eo amin’ny fiarahamonina ny olon-tsotra, alefa any am-ponja tsy amim-pihambahambana.

    Rehefa mampiantso olona ahina manao kolikoly ny Bianco, ka mpitsara, ohatra, na olona ao amin’ny fitondrana na mpanao politika fantatra, misy olana: mandà ireo sady misy matetika ny fanelanelanana avy any ambony.

    Fantatsika, ny depiote mampiseho ny “immunité parlementaire” rehefa tratra ambodiomby. Manosika azy hanao ny tsy rariny ve ny fananana io “immunité parlementaire” io, fa hoe tsy azo kitihina? Aiza ny hasin’ny maha tomponandraikitra eo amin’ny firenena?

    Raha mbola ao amin’ny “enquête préliminaire” ny Bianco, miantso mpitsara mety ho nanao kolikoly: tsy manaiky ity farany. Tsy manaiky koa ry zareo raha tsy mpitsara ambony “grade” noho izy, hono, no tokony hihaino azy. Tsy misy anefa lalàna mametraka hoe tsy maintsy mpitsara ambony “grade” noho ny tena no manao ny fanadihadiana na fihainoana azy. Ambonin’ny lalàna izany ny mpitsara eto amintsika, nefa tokony ho izy ireo no manaja lalàna voalohany. Mampalahelo ny firenena…

    Nangonin’i R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.