Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Andranomahery Ankorondrano : orinasa telo indray nasesin’ny jiolahy notafihina

    Andranomahery Ankorondrano : orinasa telo indray nasesin’ny jiolahy notafihina

    Toerana telo indray notafihin’ny jiolahy teny Andranomahery Ankorondrano, omaly tokony ho tamin’ny 2 maraina teo. Araka ny vaovao azo avy eny an-toerana, voatafika tamin’izany ny Média Consulting, ny orinasa Visy Gasy ary tranombarotra iray. Tao amin’ity orinasan-tserasera iray ity no voatafika voalohany. Fantatra fa nafatotr’ireo jiolahy ny mpiambina roa lahy tao aminy, ary novakin’izy ireo ny varavarana nidirana tao anatiny. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny ordinatera sy fitaovana maro hafa. Nifindra tany amin’ny orinasa Visy Gasy izay tsy lavitra eo ireo andian-jiolahy. Tsy nahazo na inona na inona anefa ireo tao, fa nanohitra ny mpiambina ka nitsoaka ireto farany, araka ny vaovao voaray. Nifindra tamin’ny toeram-pivarotana lehibe tsy lavitra teo indray ireo jiolahy. Araka ny voalaza, nanohitra ny tompom-pivarotana ka nokapain’ireo jiolahy tamin’ny sabatra. Voa teo amin’ny tanana izy io ka naratra mafy. Niditra tao an-trano ireo jiolahy nandroba izay entana zakany. Niala moramora teny an-toerana izy ireo, ary minitra maro taty aoriana vao tonga ny polisy. Araka ny fanazavana, henon’ny teo amin’ny manodidina ny fanafihana nitranga, saingy tsy sahy nivoaka ireo noho ny tahotra. Efa dila anefa ireo jiolahy ka tsy nisy azon’ny polisy natao. Nanao ny fanarahan-dia, saingy tara loatra. Mandeha ny famotorana.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.