Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Notoloran’ny CSPI/Samada vary ny any atsimo

    Notoloran’ny CSPI/Samada vary ny any atsimo

    Notanterahina teny Mandrosoa Ivato, omaly, ny fanomezan’ny mpitantana ny CSPI/Samada vary milanja 20 t ho an’ireo mponina tratry ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’ny Nosy. « Ho famaliana ny antso avo amin’ny hanampiana ny vahoaka any an-toerana no antony nanaovanay izao. Misedra olana lehibe ny mponina any amin’iny faritra iny ka nandraisanay izao fanapahan-kevitra izao », hoy ny avy amin’ny mpanolotra. Nandray izany kosa ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, Kolo Roger. « Anisan’ny mampitaraina ny mponina amin’ny kaominina sasany ny tsy fahazoana ny fanampiana tokony ho azy ireo. Mbola misy ireo mbola sahirana sy miaina ny tsy fanjarian-tsakafo ka nahatonga azy ireo nanolotra izao fanomezana izao. Na izany aza, efa mba mihatsara ny an’ny faritra sasany », hoy izy, nisaotra ireo nanome.

    Nanainga, omaly, avy hatrany nihazo ny any atsimon’ny Nosy izany vary hanampiana ny mponina any an-toerana izany.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.