Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Savorovoron’ny 29 marsa : notsikerain’ny loholona Riana ny Kly Lylison

    Savorovoron’ny 29 marsa  : notsikerain’ny loholona Riana ny Kly Lylison

    Vely kibay tamin’ny alalan’ny fitenenana hentitra sy nahitsy. Notsikerain’ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, Andriamandavy Riana, mafy ny fihetsiky ny loholona Lylison tamin’iny fanamarihana ny faha-69 taon’ny « Raharaha 1947 » teny Ambohijatovo sy Mausolée. « Tsy fihetsika loholona sy manamboninahitra ireny nataony ireny. Tsy mbola napetraka amin’ny fomba ofisialy ny maha loholona anay, nefa efa nanao samboady izy ary nitarika vahoaka eny an-dalambe. Ny famaliany imasom-bahoaka ny lehiben’ny mpitandro filaminana, ny Jly Rakotomahanina Florens, nanao ny fandaminana teny an-toerana… Manana ny lalàna mifehy azy ary voasoratra anaty lalàmpanorenana izahay, nefa nodikainy izany… Efa nisy koa fandaminana ho an’ireo loholona tafajanona eto an-drenivohitra, tsy nanamarika ny 29 marsa tany amin’ny faritra nisy azy avy, nefa tsy nanaraka izany izy », hoy ny loholona voafidy any Fianarantsoa, Andriamandavy Riana tao amin’ny fahitalavitra iray, omaly.

    Nanao ny fanonganam-panjakana teto ny Kly Lylison

    Nohitrikitrihiny fa tsy mbola maina akory ny ravina noho ny fanonganam-panjakana nataon’ny Kly Lylison nefa mbola manao izao fihetsika manampatra fahefana izao izy. « Fotoana izao hametrahana fitoniana fa tsy ho any amin’ny fanonganam-panjakana intsony… », hoy ihany ny loholona R. Andriamandavy, namerimberina inefatra fa nanao ny fanongam-panjakana io manamboninahitra voafidy loholona io.

    Ho tonga hatraiza indray ity raharaha ity, indrindra eo anivon’ny Antenimierandoholona ?

    Synèse R.

    3 réponses à "Savorovoron’ny 29 marsa : notsikerain’ny loholona Riana ny Kly Lylison"

    1. Ray RAZAFY  02/04/2016 à 12:38

      Tsikera hoe???
      Io ilay Ramandavy io no nanao ministra hoe fizahantany, dia nakany An-dafy ( voalohany tamin’ny fiainany!),
      dia tsy hainy akory izany hoe ministra, tsy misy ASA vita!!!
      Fa be TARONA tao senat n,y transition, dia avy eo izy nitavana tena nitavana tao!!
      Tonga indray izao dia NILELEKA tany Fianar hoe zanak’i Betsileo , ka SOLOTENA TSY MAINTSY OMENA TOERANA,
      na TSY MAHAY NA INONA NA INONA! Politika,ny ETHNISME mahafaty ny MADAGASIKARA hatramin,ny izao!!!!

    2. Ray RAZAFY  02/04/2016 à 12:54

      Tsikera hoe???

      Io ilay Ramandavy io no nanao ministra hoe fizahantany, dia nakany An-dafy ( voalohany tamin’ny fiainanay!), dia tsy hainy akoray izany hoe ministra tsy nisy ASA vita!!!

      Fa be TARONA tao senat n’ny transition ( chef!!! kabine), dia avy eo izy nitavana tao!!

      Tonga indray izao dia NILELAKA tany Fianar hoe zanak’i Betsileo, ka SOLOTENA TSY MAINTSY OMENA TOERANA,
      na TSY MAHAY NA INONA NA INONA!
      Politika ‘ny ETHNISME mahafaty an’i MADAGASIKARA hatramin’izao!!!!

    3. Ray Razafy  02/04/2016 à 16:22

      Efa natao teo ny commentaire momba ny TARONA nataon’i Ramandavy, omena toerana foana, satria Betsileo, politika ETHNIQUE, nanapotika an’i Madagasikara
      ta@ transition, ministre tsy nahvita inona, secrétaire tao @ débat, troupe de choc ta@ Mairie Fianar,
      izao manome lesona anefa ny “fahaizana” any am…
      Alefaso raga tena Gazety sahy sy tena izy!

    Les commentaires sont fermées.