Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Dahalo voasambotry ny zandary : tsy nanaiky ny vahoaka raha tsy nanao fitsaram-bahoaka

    Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo fokonolona efa ho 500 mahery tany Bealanana, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambatoria, afakomaly tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro. Dahalo roa voasambotry ny zandary ireo tsy neken’ny fokonolona raha tsy nanaovana fitsaram-bahoaka ireo. Natahotra ny zandary ao amin’ny zanantobim-paritra nanoloana ireo fokonolona marobe, indrindra fa rehefa nilaza ireo olona anjatony maro fa mety hiharan’ny hatezeram-bahoaka izy ireo sy ny vady aman-janany. Maty niharan’ny fitsaram-bahoaka ireo roa lahy.

    Araka ny fanazavana avy amin’ny depiote avy any Bealanana, nisy fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany Ambohimanakana. Enin-dahy nitondra Kalachnikov sy P.A nanafika tokantrano ka nitifitra olona iray ireo, ary nandroba vola 12 tapitrisa Ar. Fantatra fa nisy avy ao Ambatoria ireo ka nisy tratra. Fantatra tamin’ny famotorana fa olona miaramila niala mipetraka eny 67ha ny iray amin’ireo, ny hafa avy any Ambatolampy. Nisy telo hafa tratra afakomaly ka mbola notakin’ny olona hovonoina ihany koa. Nalefa any Antsohihy ireo. Nilamindamina ny tanàna taorian’izay.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.