Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Filaminana : haka traikefa amin’ny Sinoa ny polisy

    Filaminana  : haka traikefa amin’ny Sinoa ny polisy

     Zavatra telo no nisongadina nandritra ny fitsidihana ara-pomba fifanajana teo amin’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny ispecteur général de police, Randimbisoa Blaise Richard sy ny masoivohon’ny firenena sinoa, Yang Xiaorong teny Anosy afakomaly. Isan’izany ny fifanakalazona traikefa sy ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny fampiofanana. Teo koa ny fampitaovana amin’ny ankapobeny ary farany ny fiaraha-miasa eo amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava. Koa raha misy ny olona karohina ka lasa nilefa any amin’ny firenena andaniny na ny ankilany, hisy ny fifanomezan-tanana amin’ny fisamborana azy.

    Teo am-pamaranana ny fihaonana, samy maniry ny hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta ny andaniny sy ny ankilany.

    Nandray ny attaché de sécurite-n’i Etazonia, Briand Papanu, sy ny attaché des affaires régional-n’i Etazonia, Any Papanu, ny tolakandron’io fotoana io ihany, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka. Fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta no nivoitra tamin’ity fihaonana ity.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.